Isaiah 31

Ny hampijaliana ny Isiraely noho ny niankinany tamin’ i Egypta sy ny hiarovan’ Andriamanitra izay mibebaka, ary ny hanendreny mpanjaka izay hitondra azy amin’ ny fahamarinana

1Lozan’ izay midìna any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin’ ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin’ ny Isiraely, na mitady an’ i Jehovah. 2Nefa Izy koa dia hendry ka mahatonga loza, ary tsy tsoahany ny teniny; Fa mitsangana Izy hamely ny mpianakavin’ ny mpanao ratsy sy izay manampy ny mpanao meloka. 3Fa olona ihany ny Egyptiana fa tsy Andriamanitra; Ary nofo ihany ny soavaliny, fa tsy fanahy. Koa raha ahinjitr’ i Jehovah ny tànany, dia ho tafintohina izay manampy, ary ho potraka izay ampiana, ka samy ho levona avokoa izy roa tonta. 4Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Tahaka ny fieron’ ny liona sy ny liona tanora eo amin’ ny rembiny, ka na dia voangona aza ny mpiandry ondry betsaka hamely azy, Tsy matahotra ny feon’ ireo izy, na mandatsa-dremby noho ny fihorakorahany, dia tahaka izany no hidinan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Hiady ao an-tendrombohitra
Na: hamely ny tendrombohitra.
Ziona sy ny havoany.
5Tahaka ny vorona manomba no hiarovan’ i Jehovah, tompon’ ny maro, an’ i Jerosalema, fa sady hiaro no hamonjy Izy, eny, sady hiantra
Heb handalo; izahao Eks 12. 13 .
no hanafaka.
6Koa miverena ho amin’ izay efa niodinanareo fatratra, ry zanak’ Isiraely ô. 7Fa amin’ izany andro izany dia harian’ ny olona rehetra ny andriamani-bolafotsiny
Heb andriamani-tsi-izy.
sy ny andriamani-bolamenany
Heb andriamani-tsi-izy.
, izay fahotana nataon’ ny tananareo.
8Ary ny Asyriana ho lavon’ ny sabatra izay tsy mba an’ olombelona, eny, sabatra izay tsy mba an’ olombelona no handringanana azy; Dia handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana, 9Ary ny mpanjakany
Na: harambatony.
ho lasa noho ny fahatahorana, Ary mpanapaka azy hivadi-po noho ny faneva, hoy Jehovah, Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandoroana ao Jerosalema.

Copyright information for Mg1865